<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. McGranahan</author>
<hymn_number>68</hymn_number>
<title>Re tokoa ny feon'anjely FFPM68</title>
<lyrics>[V1]
 Re tokoa ny feon'anjely,
 Irak'Andriamanitra ;
 He, ny teny mahafaly
 Avy ao an-danitra.
 Entiny ny teny tsara,
 Ho ety an-tany izao ;
 Voninahitra aman-dera,
 Tompo, no omena Anao !
 (in-3)
 Voninahitra aman-dera,
 Tompo no omena Anao !

[V2]
 Teraka any Betlehema
 Ilay Mpanjaka manan-jo
 Ka misatro-diadema,
 Voninahi-tsy ho lo,
 Misy 'zao ety an-tany
 Fihavanana tokoa,
 Hafalian-tsy holany
 Fitahia-mahasoa. (in-3)
 Hafalian-tsy ho lany,
 Fitahia-mahasoa.

[V3]
 Be ny lazanao, ry Tompo !
 Tsara ny Anaranao,
 Zovy re no tsy hanompo ?
 Iza no handà Anao ?
 Hasina sy arahaba
 No aterina aminao ;
 Fanjakana tsy ho rava,
 Ry Mpanjaka ! no Anao (in-3)
 Fanjakana tsy ho rava
 Ry Mpanjaka ! no Anao.</lyrics>
</song>